Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 28 Aogositra 2013


Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny governemanta natao teny Mahazoarivo omaly ny volavolana didim-panjakana ho fandaminana ny marikarama sy ny tombontsoa manokana omena ireo mpikambana 44 ao amin’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na FFM. Na dia tsy hita mivaingana aza izany ny tena asan’ireto FFM ireto hatramin’izao dia mandray karama mitovy amin’ireo mpiasana andrim-panjakana tahaka ny HCC, CES na CST ihany izy ireo ary dia efa an-dalana ny faneken’ny governemanta izany.

 

Nitaky tatitra mazava sy amin’ny antsipirihany avy amin’ireo minisitra nanao fitsidiham-paritra, ny praiminisitra. Tatitra momba ny zavatra hitan’izy ireo sy ny zava-misy marina momba ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-dahalo, ny fivarotan-tena ataon’ireo tovovavy tsy ampy taona amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, ny “Opération kara-panondro” ary ny fandefasana mpiasa any ivelany.

 

Notapahan’ny filankevitry ny governemanta fa hisy ny fanentanana atao manerana ny Nosy momba ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny tsara ho fantatra rehetra momba azy. Izany no natao dia mba tena hahafantaran’ny Olom-pirenena ny lalàna, ny mety sy ny tsy mety ary ny zo ananany.

 

Manomboka izao izany dia handray vehivavy ny sekoly manofana ny manamboninahitra lefitra eo anivon’ny foloalindahy.

 

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT