Kandida 7 amin’ny 11 hatry ny omaly hariva no nahatonga ny dika mitovy ny taratasy fametraham-pialany teny amin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana na CES. Nilaza ny filohan’ny CES, Rakotozafy François fa any amin’ny lehiben’ny andrim-panjakana nisy azy avy ireo kandida no mametraka ny taratasy fametraham-pialany dia ny any indray no mandefa izany any amin’ny CES.
Ho banga tanteraka ny toeran’ny Filohan’ny delegasiona manokana ho an’ny tanànan’Antananarivo aorian’ny fametraham-pialan’ny PDS Razafindravahy Edgard, anio, noho ity farany kandida filoham-pirenena amin’ny anaran’ny antoko TGV. Ny lefitry ny PDS no tokony hisolo toerana azy nefa tsy manana lefitra ny PDS teto hatramin’ny 07 jolay 2009 nanendrena azy tamin’io toerana io.
Nihatra nanomboka omaly 26 aogositra ny sarandalana vaovao amin’ny taksibe mampitohy an’i Ivato amin’ny renivohitra. Lasa 500Ar izany raha 400Ar teo aloha. Etsy an-kilan’izany dia sady tsy mitondra mitsangana no tsy mahazo manao tampody fohy na miverina an-dalana toy ny fahita mahazatra ny fiara fa dia nohenjanina ny sazy ho an’izay tratra.
Nanomboka omaly 26 aogositra ary hitohy hatramin'ny 30 aogositra ny Festival Karitaky any Ranohira. Eo amin’ny andiany faha-6 izao ity lanonambe mampivady ny kolontsaina Bara amin’ny fizahantany ity.
Mimenomenona ny mpanjifa ny jirama any Amboasary Atsimo any. Nanomboka ny alarobia 21 aogositra teo no tapaka ny jiro any an-toerana ary omaly alatsinainy vao niverina. Ireo mpampiasa vata fampangatsiahana sy ireo mampiasa haivy no tena lasibatra.
Mafana indray ny any Bongolava any amin’izao fotoana. Tontosaina any Tsiroanomandidy tampon-tanàna mantsy ny andro manerantany ho an’ny tanora nanomboka ny alahady 18 aogositra lasa teo ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 1 septambra ho avy izao.
Nangonin’i JD & Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.