Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2013


Any Sainte Marie mijery ifotony ny fanomanana ny fifidianana ny mpandrindra ny asan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, Rtoa Fatma Samoura. Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana raha ny filazan’ny filohan’ny OVEC ao an-toerana. Misy fito izao ny kandida solombavambahoaka ho an’ity Distrika ity, na mbola amin’ny 23 septambra aza vao hikatona ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana.

Tapitra tamin’ny misasak’alina saingy noho ny maha andro tsy iasana ny omaly alahady dia andrasana anio ny fametraham-pialan’ireo mpitondra nirotsaka ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, voatondro hatao amin’ny 25 oktobra 2013 ny fihodinana voalohany.

Hamory ireo kandida miisa 33 amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny CENIT amin’ity herinandro ity handaminana ny fitsinjarana ny fotoana fandraisam-pitenenana hanaovana fampielezan-kevitra amin’ny haino amanjerim-panjakana.

Nisy ny fifandisoana tamin’ny lahatsoratra mikasika ny sekoly ambony Inspnmad etsy Manakambahiny nivoaka ny sabotsy 24 aogositra lasa teo. Tsy vadin’ilay rangahy faharoa ilay ramatoa milaza ho tompon’ny trano amin’izao fotoana fa olona namarotany ilay fananany, koa ialana tsiny indrindra.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT