Hanomboka ny 24 septambra ary mitohy hatramin’ny 23 oktobra ny fampielezan-kevitra ho an’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao ny 25 oktobra, raha ny 28 novambra ka hatramin’ny 18 desambra ny fampielezan-kevitra ho an’ny fihodinana voalohany miaraka amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka izay hatao ny 20 desambra 2013.
Miisa 893 ireo kandida depiote efa nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany teny amin’ny OVEC miisa 119 manerana ny Nosy. Amin’ny 23 septambra vao hifarana ny fandraisana filatsahan-kofidiana. Marihina fa toerana miisa 150 no hifaninanana eny Tsimbazaza amin’ny fifidianana hatao ny 20 desambra 2013.
Tokony hametra-pialana farafahatarany amin’ny 26 aogositra izao ireo mpitondra fanjakana rehetra, Ben’ny tanàna, lehiben’ny Faritra, Parlemantera, mpikambana ao amin’ny governemanta … ka nirotsaka kandida ho fidiana filoham-pirenena.
Tontosa omaly zoma 23 aogositra ny fanadinana an-tsoratra fanatanjahantena. Tao amin’ny LMA Ampefiloha no nanaovana izany ho an’ny teto Antananarivo. Nahatratra arivo mahery izy ireo ary 150 no tsy tonga. Marihina fa foana avy hatrany ny fanadinana rehetra ho an’izay tsy nanao fanadinana fanatanjahantena.
Nahitana fanafihan-jiolahy indray teny Ambohitsoa kaominina ambanivohitra Ampanefy omaly maraina tamin’ny roa ora. Jiolahy dimy no niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray. Ramatoabe 70 taona sy ny mpanampiny no tao. Nikiaka izy mianaka ka nanomboka taitra ny mponina. Nanao tari-dositra ireo jiolahy. Tratra teny an-tanimabry ny roa. Raikitra ny fitsaram-bahoaka. Nalaky tonga ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i JD & Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.