Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 23 Aogositra 2013


Hifarana anio ny dian’ny iraka avy amin’ny GIC M tarihin’i Joaquim Chissano, rehefa naharitra telo andro nihaona tamin’ireo mpisehatra politika sy mpanao sonia ny tondrozotra ary ny FFKM. Hanao valandresaka amin’ny mpanao gazety ao amin’ny hotely Colbert Antaninarenina izy ireo amin’ny 11 ora sy sasany mialoha ny handaozany an’i Madagasikara.

Nahemotra amin’ny talata 28 aogositra izao ilay hetsika famoriam-bahoaka ho fanoherana ilay  fanapahan-kevitra navoakan’ny CES farany teo, karakarain’ny «Hery Mivondrona Miaro ny Tombontsoam-Pirenena» ao Ampasambazaha Fianarantsoa nokasaina hatao rahampitso sabotsy 25 aogositra.

Hamory ireo kandida ho filoham-pirenena eny Alarobia ny CENIT anio amin’ny 4 ora tolakandro hiaraka hidinika sy hanapa-kevitra na haverina hatao ny antsapaka handaharana ireo kandida ao anaty bileta tokana na tsia. Ankoatra izay dia nomena fotoana hatramin’ny 26 aogositra ireo kandida raha te hanova ny sary sy soratra amin’ny biletany.

Mikarakara festival ny Fikambanan’ny mpianatra avy any Boriziny mandranto fianarana ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga. Andiany faha-10 izy ity, mifanojo indrindra amin’ny fahavitan’ny fanadinana bakalôrea. Hanomboka anio ao Port-Berger ny festival ary haharitra telo andro.

Hanao fanambarana ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina amin’ity anio ity. Mikasika ny raharaham-pirenena no votoatiny. Amin’io koa no hahafantarana ny heviny taorian’ny nanilihan’ny CES azy tsy ho kandida filoham-pirenena niaraka tamin’ireo kandida fito hafa.

Maty notafihin’ny dahalo ny dokotera iray miasa any amin’ny distrikan’i Bekily kaominina Beraketa ny talata lasa teo. Ny vadiny kosa naratra mafy ka mbola tsaboina any amin’ny hopitaly hatramin’izao. Ankoatra izay dia tokantrano iray no notafihin’ny jiolahy tany Amboasary atsimo ny alakamisy alina teo. Lasany tamin’izany ny vola an-tapitrisany maro.

Nangonin’i JD & Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT