Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 22 Aogositra 2013


Tonga omaly eto ny delegasiona mpanelanelana vahiny tarihin’ny filoha mozambikanina Joaquim Chissano, iraky ny GIC-M hanao tombana ny fivoaran’ny fanatanterahana ny tondrozotra hirosoana any amin’ny fifidianana. Nambarany teo ampahatongavana teny Ivato fa feno ny fepetra hanaovana fifidianana ary azo atao tsara ny manatanteraka izany amin’ity taona ity.

 

Miatrika atrikasa ao Toamasina, ho fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana ireo Distrika miisa 32 manerana ny Nosy. Nambaran’Atoa Mahazoasy Roger filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Tahiry Ifotony momba ny Fampandrosoana (FDL) fa “tsy hisy fampandrosoana maharitra izany raha mbola ao anatin’ny tsy fahampiana ara-bola sy tsy ao anatin’ny fahalalam-pitantanana ireo vondrom-bahoaka. Mila fanampariaham-pahefana matanjaka isika”.

 

Mitsidika ireo klioba sahaniny ny Governoran’ny Lion’s Club misahana an’i Afrika afovoany sy ranomasimbe Indiana ary i Madagasikara, Atoa Manana Leon Governora “403-B”. Mandalo ao Toamasina izy, mijery mivantana ireo asa sosialy ataon’ny Lions ao an-toerana i Toamasina izay misy Lions 750.

 

 

Any Tolagnaro ny minisitry ny varotra Rtoa Ramalason Olga. Na ao anatin’ny vakansy kelin’ny mambran’ny governemanta ny tenany tombanana fa tsy hahasakana ny fihaonany amin’ireo mpiara-miasa aminy avy amin’ny faritra Anôsy sy Androy.

 

Hifarana anio rehefa naharitra hefarana ny fanadinana bakalôrea taona 2013, natrehin’ny mpiadina manodidina ny 130.000 nanerana ny Nosy. Tamin’ny ankapobeny dia nizotra ara-dalàna ny fanadinana na maromaro ihany aza ireo mpianatra tsy tonga noho ny antony samihafa.

 

Fomba hafa indray no nataon’ny jiolahy teny 67ha Avaratra atsinanana omaly alina. Norahonany am-piday ny tompon-trano hatao lasibatra. Niantso in-droa izy dia tapahiny. Rehefa nantsoina izy dia nambarany “fa ho avy izahay”. Tatra ny tompon-trano ka namoha ny mpiray tanàna ary nampilaza ny fokontany sy ny polisy. Tsy nipoitra anefa ireo mpampihorohoro.

 

Niakatra avo roa heny ny hetran-trano teto an-drenivohitra tamin’ity taona ity. Rehefa handoa ny vola ny renim-pianakaviana iray vao taitra raha nilazana fa tsy ampy ny vola nentiny. Tsy nanampo ny tenany fa ny fandrotsany hatramin’izay no nomeny. Teo vao nanazava ny tomponanandraikitra fa nisy fisondrotany ny hetra.

 

Mbola mikorontana ny fitateram-bahoaka eny Itaosy ho an’ny zotra 133. Tsy voasakana ireo mpanjifa misongona ary ny mpitatitra koa mameno dia lasa, indrindra ny etsy 67ha. Ny anton’ny nampiakarana ny saran-dalana anefa dia ny mba hilaminan’ny mpandeha sy ny tsy hilaharany.

 

 

Nangonin’i JD & Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT