Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 21 Aogositra 2013


Tany Mampikony sy Port-Berger ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Razafindehibe Etienne omaly nijery ifotony ny fizotry ny fanadianana bakalorea sady nampahery ireo mpiadina. Fantatra fa mangataka ny fampitomboana ny isan’ny foibem-panadinana ny ray aman-dreny mba hanalana fahasahiranana ireo mpianatra avy lavitra.

Rahampitso alakamisy 22 aogositra no fantatra fa hanao fivoriambe ny CENIT hanapaka raha hisy fanaovana antsapaka vaovao handaharana ireo kandida ao anaty bileta tokana, aorian’ny famoahan’ny CES lisitra vaovao. Andrasana amin’izay koa ny datim-pifidianana vaovao. Mbola manamafy moa ny CENIT fa mbola azo atao tsara ny manatanteraka fifidianana amin’ity taona ity.

Manana mpiadina bakalôrea miisa 5 ny Akanin’ny Marenina etsy amin’ny 67ha. Mpiadina ao amin’ny sokajy A2 avokoa izy ireo. Miaraka amin’ny mpiadina mandre izy ireo saingy misy mpandika teny mampiasa tenin’ny tanana. Fanirian’ireo mpiadiana ireo ny hanokanana ny taratasim-panadinan’izy ireo mba hanaovana fitsarana manokana.

Amin’ny 7 oktobra 2013 no hanomboka ny taom-pianarana 2013-2014, ho an’ny sekolim-panjakana. Hatao ny 15 jolay 2014 ny fanadinana CEPE, 28 ka hatramin’ny 31 jolay ny fanadinana BEPC.

Fianakaviana mpamboly tongolo indray no niharan’ny fandrobana tany Ambohitrangano Talatavolonondry omaly antoandro. Telo lahy izy ireo ary nitondra basy sy zava-maranitra. Omby fito no lasany. Raha ny filazan’ny niharam-boina dia sambany no nisy fanafihana antoandro tamin’iny toerana iny. Efa lasa moa ireo jiolahy vao natao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana.

Nizotra tamim-pilaminana na dia nisy ahiahy ihany aza ireo mpianatra nanala baka sasany teto an-drenivohitra noho ny raharaham-pirenena nitranga omaly. Ny taranja matematika no natao ny maraina. Nanantena statistika ny ankamaroan’ireo mpiadina A2 nefa proba no nitranga. Naizany aza be fanantenana izy ireo hatreto.

Mihena ny mpandoa hetra any amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Araka ny voalazan’ny ben’ny tanàna ao an-toerana dia ny krizy no antony tsy ahaloavan’ny mpanjifa ny hetrany. Ny vola amin’ireny anefa no hanefana ny karaman’ny mpiasa.

Nangonin’i JD & Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT