Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 20 Aogositra 2013


Nisy namaky ny tranombarotra Horizon Ivato eny Itaosy ny alin’ny alahady teo. Nihanika tamboho ireo jiolahy avy eo niakatra tany an-tafontrano ary niditra tao amin’ny trano fitehirizan’entana. Hitan’ny Sinoa tamin’ny “camera de surveillance” ny fidiran’ireo jiolahy ireo, ka nampandrenesina avy hatrany ny zandary mpiambina, izay tonga ara-potoana. Fito lahy ireo jiolahy ary efa entana maromaro no tafavoakan’izy ireo. Efa nisy ny voasambotra.

Zaza dimy, lahy roa sy vavy telo, zanaka mpirahalahy no maty vokatry ny fihinanana trondron-dranomasina tany Anosikely, Distrikan’i Farafangana ny sabotsy teo. Valo mianaka no nihinana fa izy dimy ireto no tsy avotra. Voalaza fa trondro fisaka misy poizina no nohanin’izy ireo ka nitarika izao loza izao.

Nangataka famotsoran-keloka na aministia i Zakahely Boniface. Mihevitra ity farany fa tsy misy antony tsy tokony hanomezana azy amnistia raha ny nanamelohana azy. Depioten’i Mananara Avaratra teo aloha izy ary mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ankehitriny.

Tsy nifankahitana ny setroka teny Ankadimbahoaka omaly tolakandro. Noheverina fa nisy hain-trano goavana ka nijanona izay nahita. Rehefa notomorina dia fakon’ny orinasa iray eny an-toerana no nodorana tolakandro. Nanempotra sady nitorajofo ilay setroka ka nampimenomenona ny mpandeha an-tongotra sy fiara ary ny tompon-tanàna. Voalaza fa isan-kerinandro no manao izao io orinasa io.

Nivoaka ny sabotsy lasa teo ny valim-panadinana BEPC teny Sabotsy Namehana. Nahatratra 55,99% ny taham-pahafahana teny an-toerana. Ny nahatara ny fivoahana moa raha tsiahivina dia ny tsy fitokonan’ireo mpitsara fanadinana noho ny tsy fahazoany ny tambinkaramany tamin’ny herintaona

 

Nangonin’i JD & Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT