Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 17 Aogositra 2013


Misedra olana ara-bola ny fanjakana ankehitriny manoloana ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany faha-7 izay hotanterahina any Nice (Frantsa) ny 07 hatramin’ny 17 septambra 2013. Mbola eo am-pitadiavana ireo vola fandraisana anjara, sarandalàn’ireo delegasiona, ireo fitaovana ilaina ary ny hoenti-manana amin’ny fiomananan’ireo atleta mantsy ny mpitondra mahefa malagasy.

Mila teti-bola 3 tapitrisa Ariary mialoha, mandritra ary aorinan’ny fandatsaham-bato avy ireo Distrika 119 eto Madagasikara mba hampizotra antsakany sy andavany ireo fifidianana tiana hotanterahina. Efa niady hevitra momba io ireo mpikambana ao amin’ny governemanta fa andrasana kosa ny fanapahan-kevitra.

Vola mitentina 1 tapitrisa dolara no atolotry ny Banky afrikana momba ny fampandrosoana ho fanarenana ireo foto-drafitrasa sosialy ravan’ny rivodoza Haruna tamin’ny volana febroary tamin’ity taona ity.

Efa am-periny ankehitriny ny asa fanampenana ireo lavaka amin’ireo lalàna eny amin’ny Boriborintany faha-6. Kasaina ho vita mialoha ny fiavin’ny orana ny fanamboarana izay tanterahan’ny orinasa Colas miaraka amin’ny ministeran’ny asa vaventy.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT