Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 16 Aogositra 2013


Nanomboka ny alarobia 14 aogositra teo teny Vohipiraisana ary hifarana anio zoma ny fampihaonana ireo solontena telo isaky ny ankolafy amin’ireo ankolafy efatra, karakarain’ny FFKM. Fandinihana ny fehin-kevitra nivoaka teny Ivato no ataon’izy ireo ary hatolotra tolokevitra amin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Haroso hifampidihana amin’ireo mpizaika teny Ivato indray izany amin’ny herinandro ambony io.

Mitondra faisana ny vehivavy sy tovovavy amin’iny faritra atsimo iny amin’ny afitsoky ny dahalo. Rehefa tsy mahita omby hangalarina ao an-tanana mantsy ireto farany dia fanolanana vehivavy indray no ataony. Izay vehivavy tratran’izy ireo ao an-tanàna sy any an-tsaha dia tetezin’izy mianakavy, anamparany ny filan-dratsiny, eny fa nahatramin’ny zaza tsy ampy taona aza. Raha tsy manaraka ny sitrapony dia rafahafatesana no miandry.

Zandary roa no maty voatifitry ny dahalo tany Ambilobe, talàna 5km miala ny renivohitry ny Distrikan’i Miandrivazo omaly alakamisy tamin’ny 5 ora maraina. Niandry kizo ireto zandary ireto no lafalatsaka anelanelany rehefa raikitra ny fifampitifirana tamin’ny dahalo, ka izay no nahavoa azy ireo. Omby 80 no voalaza fa lasan’ireo dahalo. Mandeha ny fikarohana

Any Tolagnaro hatramin’ny talata teo ny praiminisitra Beriziky. Tao anatin’ny fahanginana no nahatongavany tany. Tsy naharitra ela tao an-tampon-tanàna anefa fa ny alarobia ampitson’io ihany dia nianavara-doha amin’ny tapany avaratry ny Distrika iny, izay faritra malaza amin’ny bolabola sy harena ankibon’ny tany bôksita, ary ny oratsimba.

 

 

Maniry hananana depiote roa ny any Antalaha. Be velarana 15.000km2 ity Distrika ity ary manana mponina maherin’ny 341.000. Raha ny lalàna anefa tokony manana depiote roa ny Distrika ahitana mponina mihotra ny 250.000. Manaitra ny sain’ny mpitondra ny mpanao politika any an-toerana mba hijery akaiky izany.

 

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT