Actualités

Tapatapany


  • Alarobia 14 Aogositra 2013


Manodidina 45% ny salan’isan’ireo tanora malagasy voakasiky ny fifindra-monina eto amin’ny firenena, araka ny tarehimarika navoakan’ny teo anivon’ny ministera mpiahy ny tanora sy ny alavoly. I Madagaiskara izay tsy mbola manana politikam-pirenena momba ny fifindra-monina.

Efa tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe : “plaque tournante” i Madagasikara eo amin’ny fanjifana sy fivarotana zava-mahadomelina ankehitriny. Mila mitandrina tanteraka ny ray aman-dreny satria ireo ireo ankizy 6 hatramin’ny 15 taona no voakasik’izany manokana amin’ny alalan’ireo sakafo ankafizin’izy ireo toy ny sokolà na vatomamy.

Aretina tsy dia mahataitra ny besinimaro loatra ny diabeta. Mety hitarika hatrany amin’ny tsy fahitana anefa izy io raha tsy voatsabo. Mba hialàna amin’ny fandaniam-bola miompampana dia tsara raha manao fitiliana. Ilaina ihany koa ny mihinana sakafo mifandanja miampy fampiasam-batana, hoy ry zareo avy ao amin’ny AMADIA.

Andro natokana ho an’ny olona kavia ny datin’ny 13 aogositra. Vitsy ihany ny isan’izy ireo raha ny tarehimarika navoakan’ny antontan’isa satria tsy misy afa-tsy 12% manerana izao tontolo izao. Fantatra moa, araka ny fanadihadiana nivoaka fa tena olona manan-tsaina tokoa ny anakamaoan’izy ireo toa an’i Jules Verne ohatra.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT