Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2013


Nifarana omaly teny amin’ny seminera zandriny eny Ambohipo, rehefa naharitra hefarana, ny Fihaonamben’ny ankizy katolika eto Madagasikara. Andiany voalohany izy ity, ka “Ankizy miombona, mino an’i Kristy, taniketsan’ny fiangonana katolika” io no lohahevitra nobanjinina tamin’izany.

 

Niampy pretra efatra sy diakra roa indray ny mpanompon’Andriamanitra any amin’ny diosezin’ny Tôlagnaro, itambaran’ny faritra roa dia Anôsy sy Androy. Tao amin’ny katedraly Masindahy Vicent de Paul Bazarikely no nanatontosana ny fanamasinana azy enina mirahalahy ny zoma 09 aogositra teo, notarihin’ny evekan’ny diosezy, ny Mgr Rakotozafy Vincent.

 

Ratsy ny voka-panadinana BEPC tany amin’ny Cisco Marolambo. Tsy nisy afa-tsy 84 tamin’ireo mpiadina 1115 niatrika fanadinana no afaka, manome taha 7,53%. Saika mpampianatra FRAM no mampianatra nefa sahirana ny ray aman-dreny mandoa ny karaman’izy ireo.

 

Mampitaraina ny mponina ao Antsiranana ny fahatapatapan’ny jiro. Simba ve milina sa tsy maharaka ny solika fa maty lava ny jiro. Zara raha mandeha 12 ora. Tsy vitan’izay fa midangana izay tsy izy ny faktioran’ny Jirama, ary tokantrano maro no voakasin’izany.

 

Nifarana omaly ny hetsika iraisam-pirenena Fier-Mada. Andiany faha-15 ny tamin’ity, naharitra dimy andro teo an-tokontanin’ny sekoly Esca Antanimena. Samy nahazo ny anjarany avokoa ny rehetra.

 

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT