Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 10 Aogositra 2013


Nahitana andiana trozona mivezivezy tao amin’ny fari-dranomasin’ Antalaha omaly. Nahavariana ny olona ny nahita azy ireo. Nisy ihany anefa ny fampitandremana nomena ny mponina mba samy hitandrina hisorohana ny loza. Vanim-potoana fahatongavan’ny trozona amin’iny fari-dranomasina atsinanan’ny Nosy iny izao, izay rahateo no mampisy ny “festival des baleines” ankalazaina isan-taona any Sainte-Marie.

Niakatra fitsarana omaly ny raharaha Kolo TV sy Kolo FM izay nitorian’ny ministeran’ny serasera ity haino aman-jery ity ho tsy ara-dalàna ka tokony hogiazana ny fitaovany. Fitsarana ady maika izy ity, izay nahagaga ny mpiaro ny Kolo TV sy Kolo FM satria efa eny amin’ny Filankevi-panjakana ity raharaha ity ka tsy tokony hisy fitsarana ady maika mandeha izany indray. Andrasana amin’ny 14 aogositra ny fivoahan’ny didy momba azy ity.

10 aogositra 1991-10 aogositra 2013 : 22 taona lasa izay no nisian’ny ra nandriaka teny amin’ny lalana mihazo an’i Mavoloha, vokatry ny fitifiran’ireo miaramila mpiandry lapa ny vahoaka nanao diaben’ny fahafahana. Nisy ny namoy ny ainy, tao ny naratra sy nitondra takaitra mandrampahafaty tamin’iny raharaha iny, izay toa mangatsiatsiaka ankehitriny.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT