Hanorenana lycée vaovao ao Befotaka Avaratra, Faritr’i Sofia, Bejofo Faritra Alaotra Mangoro, Andoharanomaitso, Faritra Matsiatra Ambony ary Ampasina Maningory, Faritra Analanjirofo. Tapaka io nandritra ny filan-kevitry ny governemanta farany teo.
Nivoaka ny alarobia lasa teo ny «Le Guide de l’électeur» na torolàlana ho an’ny mpifidy. Ahitana pejy 45 ity boky kely nahazo alalana avy amin’ny CENI-T mampahafantatra ireo fepetra fototra mifehy ny fifidianana ity. Azo raisina eny amin’ny Centre de presse Malagasy Antsakaviro.
Nihaona teny Anosy omaly ny filohan’ireo vaomieran’ny fifidianana manerana ireo Distrika 119 eto Madagasikara. Ny fizotran’ny fikarakarana ny fifidianana sy fifanakalozana momba ireo rantsa-mangaikan’ny CENI-T no noresahana tao.
Mitohy ireo herisetra ao an-tampon-tanànan’Antsiranana na dia efa misy 46 aza no voasambotra amin’ireo andian-jatovo “Foroches”. Tao anatin’ny telo andro dia miisa 13 ireo voatafika ka roa tamin’ireo no maty.
120 no trano may, trano fivavahana iray ary toeram-pivarotana maro tao Andrapengy Ambilobe vokatry ny afo nolalaovin’ny vehivavy adala iray.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.