Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 08 Aogositra 2013


Mbola mitohy hatrany ny fahatapahan’ny herin’aratra eto an-drenivohitra rehefa takariva ny andro. Nilaza ny teo anivon’ny Jirama fa noho ny tariby tapaka sy ny fahasimban’ny vata mpampita angovo no nahatonga izany ary efa voavaha ireo olana ireo.

Maro ireo taratasim-piarakodia fitaterana voasinton’ny mpitandro filaminana noho ny tsy fanajàna lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny tsy fahadiovana ary ny tsy fahampian’ny fifampiresahana. Vahaolana aroson’ny kaoperativa ny fampiofanana ireo mpamily sy mpanampy fiara mpitatra olona indroa isan-taona.

Efa manana tranokala ho azy manokana ireo Kaominina roa eny Ivato ankehitriny. Hita ao anatin’izany ireo zava-misy tokony ho fantatry ny mponina eny an-toerana. Ao ihany koa ireo vaovao maro samihafa toy ny rafitra eo anivon’ny Kaominina.

Tonga dia voaray ho mpiasam-panjakana ireo mpianatra tafiditra amin’ny fifaninanana karakarain’ny ENAM ankehitriny. Misy kosa ny fiofanana mandritra ny roa taona mialoha izay, hoy ny tompon’andraikitra voalohan’ity ivon-toerana ity.

Mpahazo amin’izao vanim-potoana mangatsiaka izao ny aretin’ny vanin-taolana. Ho an’ny REMÈDE izay mankalaza ny faha-20 taonany dia tsy tsara loatra ny manao dokotera tenany. Mety hitarika any amin’ny fahafahana miady amin’ny aretina intsony ny fihinana fanafody tsy nahazo alalana avy amin’ny mpitsabo.

Tsy rava akory ny fikambanan’ny kristiana fitsaboana raok’andro Malagasy. Mbola manohy ny asany ny FIKRIFIRAMA, hoy ny filohan’ity fikambanana izay niorina ny taona 2002 ity izay miantso ireo namama hanatevin-daharana hatrany ireo mpikambana.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT