Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 07 Aogositra 2013


Miisa 36 ireo kandidà nirotsaka avy amin’ny fianakaviamben’ireo mpitsara hifaninana amin’ny anjara toerana 6 handrafitra ny Fitsaràna manokana momba ny fifidianana. Mpikambana maherin’ny 1.000 manerana ny Nosy no haneho ny heviny androany tontolo andro.

Misy ny fanitarana ny tsenan’Anosibe amin’izao fotoana izao. Voakitika amin’izany ny toerana fiantsonan’ny fiara mpitatitra entana ahitana mpiasa miisa 200 izay mety ho very asa. Vahaolana aroson’izy ireo ny tokony hizaràna tsara ireo toerana satria dia misy ireo mpivarotra manana tsena maromaro.

Vinavinaina hivoaka amin’ny faran’ity herinandro ity ny valin’ny fanadinana Bepc eto an-drenivohitra. Efa ao anatin’ny fandikàna naoty ny tompon’andraikitra ankehitriny ary hanapaka ny salan’isa farany ambany amin’ny fahafahana. Maro ireo fari-piadidim-pampianarana no efa namoaka ny valiny toy ny any Brieville sy Ikalamavony.

Vitsy ireo Malagasy misafidy ny hitsidika ireo valan-javaboahary eto amintsika rehefa ao anatin’ny fialan-tsasatra tahaka izao. Manintona kokoa azy ireo ny mandeha any amoron-tsiraka sy mifoka rivo-dranomasina.

Maro ireo andian-jatovo mahery fihetsika miforona ao an-tampon-tanànan’Antsiranana. Manakorontana ny fiaraha-monina izy ireo ary miteraka tsy fandriampahalemana. Anisan’izany ilay fivondronan’ny tanora antsoina hoe : “Togo”.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT