Actualités

Tapatapany


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2013


Kilalaon’ny mpianakavy eny amin’ny AFT. Roa herinandro mahery no faharetan’ilay hetsika andiany faha-8 ampiantranoan’ny Alliance Française eny Andavamamba. Efa nanomboka ny voalohan’ny volana teo izy io ary hifarana ny 17 aogositra 2013. Maro ireo karazan-kilalaon-tsaina hita eny toy ny karatra, ny daomy, ny fanorona vazaha sy ny maro hafa.

 

Fanadinana bakalorea teknika, herinandro sisa dia hiatrika ny fanadinana bakalorea ireo tanora mpiadina avy amin’ny sehatra teknika. Ny alatsinainy 12 hatramin’ny zoma 16 aogositra 2013 no hanatanterahan’izy ireo ny sedra andiany voalohany. Tanterahana miaraka amin’ny bakalorea ankapobeny manomboka ny alatsinainy 19 hatramin’ny alakamisy 22 aogositra ny fihodinana faharoa.

 

Hifamotoana eny amin’ny tokotany malalaky ny sekoly Esca ny faha-7 hatramin’ny faha-11 aogositra ireo sehatra mahakasika ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny asa tànana avy amin’ny faritra 22 eto Madagasikara mandritra ny Fier-Mada andiany faha-15. Manodidina amin’ny tontolon’ny fifampitokisana ny lohahevitra amin’ity taona 2013 ity.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT