Nifidy ny filoha vaovao hitantana azy ny GIHT na ny “vondron’ny mpandraharahan’ny fizahantany Toamasina”, ny alarobia teo, noho ny fametraham-pialan’ny filoha teo aloha. Voafidy ho filoha tamin’ny vato 26 tamin’ireo mpifidy 38 Atoa Jocelyn Jao Venant (Hotel Marotia). Nifaninana taminy nahazo ny vato 12 kosa Rtoa Rosie Beandapa (Agence Lemura Travel). Roa taona ny fe-potoam-piasan’ny filoha ka anjarany no manangana ny birao manomboka izao.
Tsy mbola tonga eny anivon’ireo Kaominina hatramin’izao ireo fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana. Mbola miandry hatrany ireo tompon’andraikitra mitantana ny tanàna na dia efa miditra amin’ny volana aogositra ity taona 2013 ity. Mifandray amin’izay ihany dia tsy mbola naharay ireo tambin-karamany nandritra ny enim-bolana ireo sefo Fokontany.
Tsy resy lahatra amin’ilay fanitsiana ny lalàna mifehy ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana ny eo anivon’ny Sendikan’ny Mpitsara Malagasy. Mbola hisy rahateo ny fivoriambe ka amin’izay ireto mpikambana ao amin’ny SMM ireto vao hilaza ny tena heviny.
Tsy maintsy hatomboka amin’io herinandro ambony io ny hetsika famonoana ireo andiam-balala. Ny tanànan’i Betafo sy Mandoto no hanombohan’ireo fiaramanidin’ny foloalindahy Malagasy izany.
Afaka 10 andro farafahatarany dia hivoaka daholo ireo valim-panadinana Bepc taom-pianarana 2012-2013 rehetra manerana ny nosy, hoy ny avy eo anivon’ny ministera miahy ny fanabeazam-pirenena.
Mpangarom-paosy iray indray omaly hariva tamin’ny 6ora no tratran’ny fitsaram-bahoaka tetsy amin’ny rond point Anosibe ho any Anosipatrana. Avy any Namontana izy no nifanenjehana. Namely daholo ny mpandalo ka valaka vetivety ilay mpanendaka.
Ramano F &Rabeso.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.