Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 02 Aogositra 2013


Hifarana anio ny dian’ny iraky ny GIC-M nanara-maso ny fivoaran’ny fampiharana ilay didy fito napetrak’izy ireo hotanterahin’ny mpitondra sy ny kandida amin’ny fifidianana. Hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety etsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina izy ireo mialoha ny hialana an’i Madagasikara.

Misy misoloky ny vary mora, tetikasan’ny fiadidiana ny tetezamita. Araka ny fanazavan’i Nihry Lanto Andriamahazo dia misy andian’olona mitety mpivarotra ary mampanantena fa hanaterana vary mora ka maka vola mialoha. Efa natsahatra vonjimaika anefa ny famatsiana vary mora.

Mpianatra miisa 28 amin’ny 272 any Chine no hany sisa mety ho tavela any an-toerana noho ny antony ara-bola, araka ny fanazavan’ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Horace Gatien.

Omby miisa 57 no avotra teo am-pelatanan’ny dahalo nandritra ny savahao nataon’ny zandary tany Belo Tsiribihina. Mitohy amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ny ezaky ny mpitandro ny filaminana ireto.

Mpitandro filaminana tsy nanaja lalàm-pifamoivoizana ! Izany no nitranga teny Andrononobe Analamahitsy omaly hariva tokony ho tamin’ny dimy ora. Lalana tsy azon’ny fiara roa hifanenana (sens unique) nefa dia niniany nandehanana. Izy nanao hadisoana indray no nivandravandra ny mpamily mifanena aminy.

Tranona mpila ravinahitra any ampita no lasibatry nyjiolahy ny sabotsy lasa teo, teny Itaosy. Fanintelony amin’izao no lasibatra ity tokantrano ity ary isaky ny tonga miala sasatra eto an-tanindrazana izy no tonga ny dahalo. Tsy nitondra basy ireto mpangalatra fa nanao amboletra fotsiny. Tsy nanaiky ny tompontrano fa nanohitra ka tsy nahazo ny notadiaviny izy ireo. Mety misy olona maniraka !

Nofefena fanitso ny toby fiantsonan’ny fiara etsy Anosibe nanomboka ny alarobia teo. Hanorenana fotodrafitrasa vaovao izy io, araka ny filazan’ny tomponandraikitra. Mimenomenona ny olona noho ny fahateren’ny lalana sy ny tsy fahafahan’ny fiara miantsona ao intsony.

Nangonin’i Jean D & Rabeso.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT