Higadona eto Madagasikara anio alarobia 31 jolay, ny iraky ny GIC-M tarihin’ny filoha mozambikanina teo aloha sady mpanelanelana avy amin’ny SADC, Joaquim Chissano. Miara-dia aminy ny mpanelanelana avy amin’ny SADC Dr Leonardo Simao sy ireo mpanolotsaina isany Atoa Nuno Tomas ary Dr John Tesha. Haharitra hatramin’ny 02 aogositra ny dian’izy ireo.
Tsy kely lalana ny ratsy. Mpanakanto malaza indray izao no baboina amin’ny lango malefaka. Lazainy fa misy hetsika any ivelany ka izay vonona dia izy no hatonina. Rehefa manomboka mafana ny resaka dia hakany vola ilay hofandrihana. Omeny ny laharan-tariby mba tsy ho mahana ary omeny fotoana. Rehefa nahazo izy dia tsy tazana intsony.
Tapaka nandritra ny filankevitry ny governemanta omaly fa miato ny fandefasana mpiasa Malagasy any amin’ireo firenena ahiana mety hampidi-doza toa an’i Arabia Saodita, Koweït sy amin’ireo firenena voasokajy ho tsy manaja zon’olombelona sy ny zon’ny mpiasa mpila ravinahitra.
Nankatoavina nandritra ity filankevitry teny Mahazoarivo omaly ity koa ny fandroahana ireo olona mibodo ny tanin’ny ministeran’ny fambolena eny Nanisana, Antananarivo.
Miandry ny valintenin’ny Banky Foibe hatramin’ity anio ity ireo mpiasan’ny oniversiten’Antananarivo amin’ny hahafahana mandoa ny karaman’izy ireo. Dila izay dia hiroso amin’ny fitokonana fitakiana ny handoavana ara-potoana ny karamany ireto mpandraharaha ireto.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.