Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 30 Jolay 2013


Maty tao amin’ny hopitalin’Ambositra omaly ny fahefatra tamin’ireo dahalo tratran’ny Fokonolona tao an-toerana, avy nangalatra omby tany Sandrandahy, Distrikan’i Fandriana ny alakamisy lasa teo. Efa-dahy ireo dahalo, ka ny telo dia maty avokoa niharan’ny fitsaram-bahoaka ary nodoran’ny Fokonolona. Naratra mafy ity fahefatra ity no voasambotry ny polisy tao Ambositra. Nalefa notsaboina tao amin’ny hopitaly saingy maty ihany koa. Omaly ihany dia efa nalevin’ny Kaominina Ambositra ny razana, noho tsy fahafantarana ny mombamomba azy.

 

Mitokona tsy mety mitsara avy hatrany ny kopiam-panadinan’ny mpiadina BEPC ireo mpampianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina ao amin’ny Fari-panentanana ara-pedagôjika Ivato, nantsoina hitsara ity fanadinam-panjakana faharoa ity noho ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny tambinkarama fitsarana fanadinana tamin’ny 2012.

 

Nisy namaky ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy 29 jolay ny OTIV Imerintsiatosika, ka lasan’ireo jiolahy ny fitehirizam-bola. Nampiahiahy ny mpanao fanadihadiana ny mpiambina, ka taminy no niainga ny famotorana. Voalaza fa nahitana vola 2 hetsy Ariary tany aminy, ary 27 tapitrisa Ariary tany amin’ny sakaiza vaviny rehefa nosavaina.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT