Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 29 Jolay 2013


Kristianina an-tapitrisany no nameno ny morontsirak’i Copacabana any Rio omaly nandritra ny lamesa lehibe famaranana ny Andron’ny tanora katolika na JMJ andiany faha-28. Nandritra izany no nanaovan’ny Papa François antso ho an’ny tanora hanorina tontolo sy fiainam-baovao, lavitry ny fitiavan-tena, fifankahalana ary ny fiantrana. Io koa no namarana ny dian’ny Papa tany Brezila, izay naharitra herinandro teo.

Hivoaka amin’ity alatsinainy 29 jolay ity ny didim-pitsarana mikasika ilay famoriam-bahoaka an-dalambe tsy nahazoana alalana ka nisamboran’ny Emm-Reg ny Sekretera jeneralin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena, Laza Razafiarison sy ny mpiaradia taminy niisa fito, ny talata 23 jolay teo Analakely.

Handalo holaniana mandritra ny fivoriana itambarambe anio ilay volavolan-dalàna manitsy ireo andininy sasany amin’ny lalàna 20121-014 manangana ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

Nitrangana fandrobana mitam-piadiana indray teny Anosipatrana ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 2ora maraina. Efa-dahy izy ireo mitondra basy sy zava-maranitra. Tokantrano roa samy hafa no nandraman’izy horobaina fa tsy nisy nahazoany. Tao amin’ny voalohany nalady taitra ny tompon-trano. Tao amin’ny faharoa indray vao nopoirina ny vavahady dia naneno tsy nijanona ny “alarme” ka hany hery nitsoaka satria niha taitra tsikelikely ny olona.

Nangonin’i Jean D & Rabeso.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT