Mitohy ny fankalazan’ny sekoly ambony ISPM Antsobolo ny faha-20 taona niorenany. Taorian’ilay fampirantiana ireo voka-pikarohan’ny mpianatra nandritra ny roa andro notanterahina tetsy amin’ny hotel Carlton Anosy dia nitohy tamin’ny fanaovana “gala évangélique” notanterahin’ny antoko mpihira eo anivon’ny sekoly sy izy mivady filoha mpanorina ny sekoly ny hetsika. Tetsy amin’ny EKAR Faravohitra no nanatanterahina izany izay nahasarika olona marobe tokoa.
Nisokatra omaly ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, mandinika ny volavolan-dalàna manova ny andininy sasany amin’ny lalàna 2012-014 manangana ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana. Tsy hihoatra ny fito andro ity fivoriana ity. Omaly ihany teny amin’ny Kongresy Tsimbazaza dia efa niroso tamin’ny asam-baomiera.
Nahemotra ho amin’ny 02 aogositra 2013 ny fitsarana ny raharaha Kolo TV sy Kolo Radio, tokony ho notanterahina omaly 26 jolay. Noho ny tsy fahampian’ny antontan-taratasin’ny mpitory, izay ny minisitry ny serasera, amin’ny tokony hanagejana ny fitaovana sy hanakatonana ity haino aman-jery ity no voalaza fa anton’ny fanemorana.
Ao anatin’ny politika fanakaikezana ny mpanjifa dia nanokatra GAB faha 49 etsy Andranomena eo anivon’ny toby fakana solika an’i Jovenna ny banky BNI Madagascar . Misokatra tontolo andro tontolo alina isan’andro ity milina ity.
Nitombo be ny fanararaotana ara-nofo atao amin’ny zaza tsy ampy taona, eto Madagasikara, araka ny tatitra nataon’ny firenena mikambana. Ny eto Antananarivo sy Toliara ary Toamasina no tena anjakan’ity fivarotantenan’ny tsy ampy taona ity. Ny antony dia ny fomba sy ny tsy fahampiana ary ny rendrarendra.
Nahitana taolam-paty iray sakaosy omaly maraina teny Androndra. Mety ho nisy nahatsikaritra ny mpitondra azy dia navelany ny entana fa ny aina no navotany, araka ny filazan’ny mponina. Rehefa natao ny ny fanaraha-maso ny fasana teny an-toerana dia tsy nisy vaky.
Nivoaka omaly ny “subvention” ho an’ny taom-pianarana 2011-12 ho an’ny Cisco Atsimondrano. Efa talohan’io ny an’Antananarivo Renivohitra. Solon-tsaoka na la craie no filaza azy io tamin’ny fitondrana teo aloha.
Nangonin’i Yves & Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.