Vita omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsinanana vaovao Atoa Soarison Constant Paulin, sy ny teo alohany Atoa Randriamaharitra Philibert, araka ny didim-panjakana laharana 2013-294, natrehin’ny lehiben’ny Faritra Atoa Mahavimbina Alain. Nanamarika avy hatrany ny SG vaovao fa tsy maintsy hajaina ny antanantohatry ny fitantanan-draharaham-panjakana voalazan’ny lalàna, hisy ny fanovan-drafitra eo amin’ny lafiny fampandrosoana entina hanamafisana ny fidiram-bolan’ny Faritra.
Nakarin’ny ministeran’ny fitsarana ho eo amin’ny gradin’ny «Inspecteur en Chef de l’Administration Pénitentiaire», grady mitovy lenta amin’ny Jeneraly eo anivon’ny foloalindahy, Atoa Mahatama talen’ny fandraharahana ny fonja ao Toamasina. Tena vitsy sy sarotra ny fahazoana ity grady ity satria eto Madagasikara izao dia miisa valo ireo hany manana izany amin’ireo am-perinasa raha miisa enina ka efa maty ny iray ireo efa misotro ronono.
Hivory tsy ara-potoana manomboka anio zoma 26 jolay ary haharitra fito andro ny Kongresin’ny tetezamia sy ny Filankevitra Ambonin'ny Tetezamita. Hodinihina amin'izany ny Volavolan-dalàna manova sy manitsy ireo andininy sasany ao amin'ny lalàna 2012 - 014 tamin'ny 30 jolay 2012 mikasika ny fananganana ny "Cour Electorale Spéciale".
Hiakatra fitsarana anio ny Sekretera jeneralin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena sady kandida filoham-pirenena Laza Razafiarison sy ireo mpiara-dia aminy miisa fito, nosamborin’ny Emmo-Reg teny Analakely ny talata 23 jolay teo raha nikasa ny haneho hevitra an-dalambe.
Nitokona nanomboka ny alarobia teo ireo taksibe Zotra H mampitohy ny renivohitra amin’i Sabotsy Namehana. Betsaka ny olona tsy afaka namonjy asa aman-draharaha noho ny fahasarotana teo amin’ny fifamoivoizana.
Nitokona tsy niasa omaly ny mpiasan’ny Air Mad. Ny antony, raha ny filazan’ireo mpiasa, dia ny fampiakarana ho avo efatra heny ny karaman’ireo mpanamory izay efa midangana be (20 tapitrisa ariary). Misy ihany anefa ny didiko fe lehibe satria izay mpiasa tsotra mitokona dia hosaziana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.