Nantsoina hivory tsy ara-potoana ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita manomboka amin’ny 26 jolay izao, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly. Tsy hihoatra ny fito andro ny faharetan’ny fivoriana, handinihana ny volavolan-dalàna manova sy mamaritra ny andininy sasany amin’ny lalàna 2012-014 tamin’ny 30 jolay 2012 manangana ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana.
Ny kandida Hajo Andrianainarivelo sy ny Malagasy Miara-Miainga dia manameloka ny herisetra natao tamin’ny kandida Laza Razafiarison. Miantso ny rehetra ho tony sy tsy haneho fihetsika miteraka korontana koa ry zareo. Amin’izy ireo dia ny fikarohana ny fomba rehetra ahazoana miroso amin’ny fifidianana anaty filaminana sy fanajana ny lalàna no tokony himasoana satria ny fifidianana ihany no lalana hivoahana amin’ny krizy.
Hiverina hisokatra ny Kaomisarian’ny polisy any Mananara, rehefa nikatona taorian’ny nandaozan’ny polisy ny toerana vokatry ny savorovoro niseho tany an-toerana tamin’ny volana mey 2013, noho ny fahafatesana zaza tao amin’ny hopitaly, izay nisy nilaza fa vokatry ny fahatapahan-jiro.
Nisy namaky ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata teo ny Telma ao Belo Tsiribihina. Nogoahin’ireo jiolahy ny rindrin-trano nahafahana nidirana tao anatiny. Very tamin’izany ny vola mitentina 13 tapitrisa Ariary sy finday roa fanaovana M’Vola.
Zazavavy 10 taona no naolana mpiasa omaly maraina teny anosibe Angarangarana. Nandeha niantsena ilay ramatoa tompon-trano no nohararaotin’ity tsy matahotody naolana ilay zaza. Simba ny mahavavy ity tsy mananatsiny. Saika niharan’ny hatezeran’ny olona ilay lehilahy.
George Alexander Louis, io no anarana nomen’i Kate sy William ny zanak’izy ireo voalohany izay ho isan’ny mpanjakan’i Angletera handimby ny Mpanjakavavy Elisabeth II, printsy Charles ary printsy William. Ny alatsinainy 22 jolay no teraka ity zaza ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.