Omby miisa 230 niainga avy any Bekily, Betroka sy Ampanihy, noroahina hamonjy tsena saika hamidy any Andramasina sy Antananarivo Atsimondrano no notafihin’ny dahalo tao Ambalamanakana atsimon’Ambositra ny 16 jolay 2013. Rehefa natao ny fanarahan-dia dia hita tany Tanambao, Kaominina Ambatomainty, Distrikan’Ikalamavony ny 28 tamin’ireo omby ireo, niaraka tamin’ny dahalo efatra sy ny mpividy halatra.
Sinoa 3 lahy, anisan’ireo 11 voarohirohy tamin’ny famonoana vehivavy mpandraharaha teratany Sinona teny Andoharanofotsy ny volana aprily 2013, no nalefa hamita ny saziny any Chine. Nisy polisy sinoa naka azy ireo teto Madagasikara, ary niala ny alatsinainy 22 jolay teo. Araka ny fantatra dia efa nigadra tany Chine ny iray tamin’ireto Sinoa nitsikombakomba tamina Malagasy, nahavanona heloka bevava ireto.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalana mampitohy an’i Maintirano amin’i Morafenobe omaly maraina. Kamiao iray nanana olana ara-teknika tamin’ny familiana no nivadika. Fito no maty, ary nisy valo hafa naratra mafy saingy tsy misy atahorana ny ain’ireto farany. Efa nalain’ny havany avokoa ny vatana mangatsiakan’ireo namoy ny ainy.
Tokantrano telo no nasesin’ny jiolahy mitam-basy notafihina teny Namontana, Boriborintany faha-4 ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 23 jolay. Very tamin’izany ny vola fito hetsy sy iray tapitrisa Ariary. Nisy vehivavy efatra, ka tsy ampy taona ny roa, niharan’ny fanolanana ankoatra ireo naratra.
Hotanterahina any Ranohira, Faritra Ihorombe amin’ny volana oktobra ny Festival Karitaky. Andiany faha-6 izy ity, natao indrindra hanomezan-danja ny kolontsaina Bara ary hisarihana mpizahatany.
Hotanterahina eny amin’ny «Forello Expo» Tanjombato ny 14 hatramin’ny 17 novambra 2013, ny andiany faha-15 amin’ny «Salon International de l’Habitat» natokana ho an’ny trano sy izay rehetra mahakasika azy.
Mpiasa manodina ny valavelona na tanantanapotsy na jatropha miisa 40 no hoesorina amin’ny asany any Ihosy. Noho ny tsy fihodinan’ny orinasa noho ny krizy no antony. 116 no mpiasa raikitra ao.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.