Hitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita etsy amin’ny Lapa maitso Anosikely, Atoa Vladimir Goncharenko, ambasadaoron’i Rosia miasa eto Madagasikara anio maraina. Handao tsy ho ela an’i Madagasikara ity masoivoho ity, ka karazan’ny fanaovam-beloma ihany ity ataony ity.
Vata fampangatsiahana 2, seza misy kodiarana ho an’ny sembana ara-batana 3, bisikileta 1 ary kilalao samy hafa ho an’ireo zaza manana fahasembanana ara-tsaina, no fitaovana natolotry ny Handicap International Toamasina ny Kaominina natolotra ho an’ireo tra-pahasembanana sahanin’ny BAS na Birao misahana ny lafiny sosialy, ny zoma teo.
Nanao fanambarana ireo Parlemantera TGV fa tsy mankasitraka ny fanafoanana ny firotsahan-kofidian’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nambaran’izy ireo fa tsy mbola foana ny CES ary tsy azo ivalozana ny didy navokany izay milaza fa ara-dalàna ny maha kandida an’i Andry Rajoelina.
Hotanterahina aorian’ny fanadinana Bepc ireo taranja roa, frantsay sy tantara jeografia, tsy vitan’ireo mpiadina Cepe miisa 65 tany amin’ny Kaominina Ivahona, Distrikan’i Betroka vokatry ny fanafihan-dahalo nitranga tao an-toerana ny talata 16 jolay lasa teo, andron’ny fanadinana Cepe.
Lavanila milanja 1.000 taonina ihany no azon’i Madagasikara aondrana amin’ity taom-pamokarana ity noho ny fihenana sy ny haratsin’ny vokatra, araka ny fanazavan’ny filohan’ny vovonan’ny mpandraharaha lavanila.
Efa manomboka ny fisoratana anarana na ho an’ny sekoly miankina na tsia amin’ny fanjakana ho an’ny taom-pianarana 2013-14. Ho an’ny EPP, raha 15.000Ar isan-taona isaky ny ray aman-dreny teo aloha dia lasa 15.000Ar isaky ny ankizy izao no aloa. Raha manan-janaka efatra izany dia 60.000Ar no sarany. Ho an’ny tsy miankina indray, maro ireo sekoly tsy nanondrotra sarampianarana noho ny fahatsapan’izy ireo fa sarotra ny fiainana.
Fiarabe mpitaom-biriky indray no namono olona omaly tetsy amin’ny fasan’ny karana. Nialan’ny hisatra izy io voapotsitra tao ny tovolahy iray. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly izy fa tsy avotra ny ainy.
Mampimenomenona ny olona ny fanaovana kara-panondro amin’izao fotoana. Tsy vita iray andro ny fanaovana azy fa avezivezy izy ireo ary averina afaka herinandro rehefa feno ny antontan-taratasy. Olona miasa anefa any ankamaroany ka misy fiantraikany amin’ny asa ny fierana matetika
Nangonin’i Jean D & Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.