Actualités

TAPANY SAMBAVA


  • Zoma 05 Aogositra 2016

Tovovavy iray, 18 taona, mpiadina bakalôrea “série A1” sokajy ankapobeny, no nihetsi-jaza ny alin’ny alarobia,


  andro fahatelo tamin’ny fanadinana. Tsy tonga tany amin’ny hopitaly fa teraka tao an-tranony izy, saingy tsy azo ilay zaza. Avotra kosa ny reniny, ary mbola nikiry nanohy fanadinana tao amin’ny CEG Sambava omaly maraina. Nitondra ondana nitoerany, ny fianakaviany nivatsy rano mafana tamin’ny “thermos” ho azy hosotroiny.

MORONDAVA
Maro ireo mpizahatany tonga any an-drenivohitr’i Menabe na ny avy eto an-toerana na vahiny. Tamin’ity herinandro ity dia saika feno avokoa ny efitrano amin’ny hotely, ka mananosarotra ny fahitana toerana hivantanana ao Morondava.

AMBOSITRA
Tonga tao amin’ny banky ihany omaly ny karaman’ireo mpiasam-panjakana ao Ambositra mandray vola amin’ny tetibolan’ny Faritany, raha efa nikasa ny hanao hetsika fitakiana ny handoavana izany haingana izy ireo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT