Hanomboka anio eny amin’ny Panorama Andrainarivo ary hitohy rahampitso 23 jolay, ny filankevitra nasionalin’ny Leader Fanilo, hanavaozana ny birao nasionaly hitondra ny antoko mandritra ny dimy taona ho avy.
Soanierana Ivongo
Nodimandry omaly ny solombavambahoaka AREMA teo aloha, voafidy tao an-toerana, Razafiarivelona Médard Daniel.
BAKALOREA
Hisy valandresaka hotanterahin’ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo, mikasika ny fanadinana bakalorea hotanterahina eny Ankatso anio.
BEKILY
Nitokona ny Fram any Bekily fa tsy mbola nahazo ny tambin-katsembohany tamin’ny taom-pianarana 2014-15. Ny distrika hafa anefa efa nahazo. Ny TVM sy RNM koa efa ho telo herinandro tsy nandeha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.