Actualités

TAPANY LEADER FANILO


  • Alatsinainy 18 Jolay 2016

Nahazo rariny teo anivon’ny Fitsarana Rakotomamonjy Jean Max raha nitory an’i Mahosindrahaja na Babala tsy hampiasa ny sary famantaran’ny antoko sy hanafoana ny Filankevitra nasionaly

tokony hataon’ny Leader Fanilo ny 22 sy 23 jolay ho avy izao. Mihevitra ny hampakatra ny raharaha ny voampanga, hahafahana manatontosa ny Filankevitra nasionaly araka ny fotoana efa voafaritra.

SOAMAHAMANINA
Hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ao amin’ny Centre Social ARRUPE EKAR Faravohitra, anio tolakandro, ireo solontena avy amin’ny fikambanana VONA sy ny zanaka ampielezan'i  Soamahamanina hanamafy ny fanoherana ny fitrandrahana ao an-toerana.

ANDRAMENA

Hitohy ny 5 aogositra 2016 izao ny fitsarana ireo andramena niainga teto Madagasikara tratran’ny manampahefana tany Singapour. Milanja 30.000 taonina moa ireo hazo sarobidy naondrana tsy ara-dalàna ireo.

ZAZA NANJAVONA 

Niisa 50 ireo zaza tsy ampy taona tsy hita popoka teto Antananarivo Renivohitra. Tarehimarika nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2016 ity io, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny polisy misahana ny fanadihadiana mamoafady sy ny zaza tsy ampy taona.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT