Notorian’ny filohan’ny birao nasionaly mpandrindra ny antoko Leader Fanilo Rakotomamonjy Jean Max ny mpikambana ao amin’ny antoko,
anisan’izany ny sasany amin’ireo mpikambana mpamorona ny Leader Fanilo niaraka tamin’i Herizo Razafimahaleo. Handeha anio etsy Anosy ny raharaham-pitsarana.
AMBATOLAONA
Miaramila mpiana-draharaha fa tsy mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, no nindaosin’ny fahafatesana nandritra ny fanazarantena nataony tao amin’ny foibe fanofanana “Commando” ao Ambatolaona Manjakandriana ny zoma 9 jolay teo, araka ny fanamarihana nentin’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena.
BEKILY
Milaza ny mponina any amin’ny distrikan’i Bekily faritra Androy fa tsy misy mandeha ny haino aman-jerim-panjakana any an-toerana. Ny delestazy koa tsy mety tapitra na dia efa misy gropy vaovao aza. Mikaikaika koa izy ireo amin’ny halafon’ny vidin’ny filana andavanandro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.