Actualités

TAPANY KELY MANDRITSARA


  • Sabotsy 07 Mey 2016

Vahoaka maro, avy amin’ireo Kaominina amin’ny ilany andrefan’i Mandritsara, no nirohotra teny amin’ny biraon’ny Distrika omaly manohitra ny nanomezana an’ny Sinoa tany midadasika


hitrandrahana “bauxite”. Ankoatra ny tanimbary sy tanimboly dia misy trano fonenana sy fasana tafiditra ao anatin’ilay tany voakasika. Nisy ny fifandaminana omaly, ka ho hita eo ny tohiny.

ANKADILALANA
Hanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety eny amin'ny biraony eny Ankadilalana anio sabotsy 07 mey maraina ny Zandarimariam-pirenena mikasika ny fahatrarana tambajotrana fikambanan-jiolahy ka nahazoana basy kalaky miisa roa.

RN5
Misokatra azon’ny mpampiasa ny lalam-pirenena faha-5 ny tetezana ao Antaratasy. Ireo fiara latsaky ny 15 taonina ihany anefa no zakan’ity tetezana ity, araka ny fampahafantarana nataon’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Asa vaventy.

ANOSIKELY
Hihaona amin’ireo parlemantera Malagasy etsy amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana Ban ki Moon mandritra ny diany eto Madagasikara ny 10 sy 11 mey ho avy izao.

MAHABO
Nirodana tampoka ny “Tribune” tsy nahazaka ireo mpijery ny fifaninanana fanatanjahantena an-tsekoly tanterahina ao an-toerana. Nisy 12 ireo naratra ka nalefa notsaboina maika any Morondava, renivohitry ny faritra Menabe.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT