Actualités

TAPANY KELY ANTSIRABE


  • Alatsinainy 09 Mey 2016

Hotanterahina ny 13 ka hatramin’ny 16 mey ho avy izao ny andiany fahatelo amin’ny Z’OVY, izay hatao eo amin’ny Araben’ny fahaleovantena.


Ny faritra Vakinankaratra no mandray an-tanana ity hetsika ara-toekarena ity, manomboka amin’ity 2016, hiarahany miasa amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ao an-toerana.

TSIROANOMANDIDY
Mpivarotra taratasin’omby hosoka (FIB) miisa dimy mianadahy tratry ny velapandriky ny mpitandro ny filaminana ny sabotsy teo. Fiaraha-miasan’ny Andrimasom-pokonolona sy mpitandro ny filaminana no nahazoana izao vokatra izao.
Dimy hetsy Ariary no ivarotan’izy ireo ny boky FIB iray, misy raviny 50. Boky FIB hosoka miisa enina no tratra tany amin’izy TEATRA
Misedra olana ny tontolon’ny teatra malagasy amin’ny tsy fisian’ny toerana hiseharana. Taorian’ny fandravana ny Trano filalaovana teatra teny Ambatovinaky, tamin’ny andron’ny fanjanahantany sy ny fahasimban’ny Tranompokonolona Isotry filalaovana teatra dia efa an-taonany maromaro izao no tsy nisy sehatra teatra intsony na teto andrenivohitra, indrindra fa tany amin’ny faritra.

ireo.

RALLYE MONTGOLFIÈRES
Niainga tao Antsirabe ny sabotsy 7 mey teo indray ny Rallye Montgolfières. Fiaingana fanindroany io, nihazo an’i Betafo. Nisy anefa no tavela an-dalana, nijanona teny an-tanimbolin’olona tao Marotampona. Nahafaly ny tantsaha ny fahitana ireto karazana balaonina goavambe abontsina amin’ny gazy ireto, saingy nangataka ny mba hanonerana ny voly simba nidabohan’ireo « Montgolfières » sy nitarihana azy ny olona.

VAVATENINA
Hampiasa vaksiny iadiana amin’ny pesta mpahazo ny akoho vokarin’ny IMVAVET na ivotoeram-pirenena mpamokatra vaksiny, ny mpiompy any an-toerana. Distrika mpiompy akoho amin’iny faritra Analanjirofo iny i Vavatenina.

AMBOHIMANARINA
Nanatanteraka fanadiovan-tanàna faobe ny Fokonolona teny Anosivavaka Ambohimanarina omaly alahady 8 mey. Nitarika ny fanadiovana ny depiote TIM voafidy teny an-toerana Rtoa Horace, izay tompon-tanana rahateo.

MAHAZO

Nitrangana hain-trano indray teny Mahazo Tsena omaly alahady tamin’ny 1ora tolakandro. Trano fivarotana iray no lasibatra. Nalady voafehy ny loza noho ny fifanampian’ny olona. Ny tafo no nongotany nanondrahana ny afo mandrapahatonga ny mpamonjy voina izay nalaky tonga ary nahatratra efatra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT