Niampy iray ny fotodrafitrasa ampiasain’ny Orchidée Blanche, akany fanabeazana ireo ankizy votsa saina, hanatsarana ny fandraisana an-tanana azy ireo.
Notokanana omaly ny trano, izay vokatry ny fiaraha-miasa natomboka tamin’ny tetezamita. Nanomboka omaly ihany koa ny « opération brioche » fanaon’ny Akany, hanohanana ny asa sosialy ataony.
MAHITSY
Trano telo, fivarota-mofo ny roa ary hotely ny iray, no niara-nakaton’ny Kaominina ambanivohitra Mahitsy, Distrikan’Ambohidratrimo omaly. Milaza ireo traboina fa misy ambadika izao fanakatonana trano izao, fa misy mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tanàna mitetika haka ny tany isian’izy ireo.
BEHORIRIKA
Nanatitra taratasy tao amin’ny foiben’ny orinasa Easy Park mitantana ireo « parking » anaty arabe eto an-drenivohitra ny sendikan’ny polisy monisipaly, mitaky ny hampitsarahana ny fampiasan’ity orinasa ity ny sary famantaran’ny polisy monisipaly amin’ny taratasy filazan-tsazy ampiasainy.
SOANIEDANANA AMBODIFAHITRA
Nahitana razana tsy nisy akanjo ary tsy nisy afa-tsy loha sy ilan-tanana, tsy amantarana na lahy na vavy, omaly teny Ambodifahitra Soaniedanana. Olona sendra nandalo no naheno fofona hafahafa, ka rehefa nizaha dia nahita ary nampandre ny Fokontany. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny zandarimariam-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.