Niverina an-tsekoly omaly ny mpianatry ny sekoly tsy miankina
La Pépite d’or Ambohimanarina, rehefa niato herinandro taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany Mahitsy vokatry ny tsirambina nataon’ny mpamily ka nahafatesana mpianatra enina tao amin’ny sekoly, ary naharatrana roapolo mahery hafa. Nandefa dokotera sy « psychologue » hanohana ara-tsaina sy moraly ireo mpianatra sy ny ray aman-drenin’izy ireo ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena.
ANOSY
Noraisin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Rabary Paul nihaona taminy tao amin’ny birao fiasany etsy Anosy omaly tolakandro ireo ray aman-dreny nanan-janaka nianatra tao amin’ny La Pépite d’Or Ambohimanarina, nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny lozam-pifamoivoizana ny 29 aprily lasa teo.
FITOKONANA
Roso amin’ny fitokonana ireo inspektekeran’ny asa sy mpanaramaso ny asa rehefa nandamoka ny dinika niarahan’izy ireo tamin’ny praiminisitra noho ny tsy fisian’ny departemantan’ny asa eo anivon’ny governemanta.
TOLAGNARO
Efa-bolana tsy hahatongavan’ny fifaninanam-pirenena amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly, mbola goavana ny asa tokony hatao ao amin’ny kianjan’Ampasamasay tokony handraisana ny fifaninanana samihafa.
MAHITSY
Notanterahina tao Mahitsy, Ambohidratrimo omaly ny fanokafana ofisialy ny Herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza (SSME) sy ny Herinandro afrikanina momba ny vaksiny.
AMPEFILOHA
Hanao fivoriambe etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny paramed rahampitso antoandro, handinika ny tohin’ny fitakian’izy ireo, tsy mbola novalian’ny Fanjakana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.