ANKADILALANA
Hanao valandresaka amin’ny mpanao gazety ao amin'ny efitrano OPS Ankadilalana anio alarobia 8 jona antoandro
ny zandarimariam-pirenena, mikasika ny fandrindrana ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena 2016.
AMBATOLAMPY TSIMAHAFOTSY
Hifamotoana eny Laniera ireo tantsaha manan-tany nambolena tamin’iny faritra iny anio. Araka ny filazan’izy ireo dia tsy hipetra-potsiny manoloana ny fakan’olon-kafa mora foana tany ambony latabatra ny tany efa nohajarian’izy ireo an-taonany maro ireto tantsaha ireto.
HARENA ANKIBON’NY TANY
Nahemotra ho amin’ny fotoam-pivorian’ny Parlemanta manaraka ny fandinihana ny volavolan-dalàna hifehy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Hahafahana mandinika ireto tolo-kevitra samihafa mikasika ny tamberim-bidy no voalaza fa antony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.