Actualités

TAPANY IKALAMAVONY


  • Alarobia 10 Aogositra 2016

Nandefa iraka tany Ambatolava, Fokontany Imandro, Kaominina Mangidy, Distrika


Ikalamavony nitrangana hain-trano nahafatesana olona niisa 39 ny 24 jolay 2016, ny fitondram-panjakana ny alatsinainy 8 aogositra teo, nanolotra vola 10 tapitrisa Ariary ho an’ny havan'ireo niharam-boina, izay efa niandry tao tamin’io sady andro tsena rahateo.

ANDAVAMAMBA
Hanao fanambarana etsy amin’ny Live Hotel Andavamamba ny hetsika Antso Fanavotam-Pirenena (AFP) anio. Antso faharoa ataon’ny AFP io taorian’ny nataon’izy ireo tetsy amin’ny Astauria Antanimena.

NOSY-BE
Hotanterahina any Nosy-Be ny 11 ka hatramin’ny 13 aogositra ho avy io ny “Foire d’Ylang”. Mandritra izany ihany koa no hanamafisana ny fahaizamanaon’ireo mpikambana ao amin’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha.

FIOMPIANA
Voarara manomboka izao ny fampiasana ny tsirimpanentana “Médroxy Progestérone Acetate” amin’ny sehatry ny fiompiana. Natokana ho an’ny olombelona ihany izy io, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny governemanta omaly.

BAKALOREA

Nanomboka omaly talata 9 aogositra ny fitsarana ny baka ankapobeny teto Antananarivo. Nizotra ara-dalàna ny fitsarana. Hentitra ka ireo mpanara-maso. Heverina hovitaina ao anatin’ny efatra andro ny fitsarana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT