Hotanterahina anio etsy amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny lanonana ara-pitsarana handraisana ny fihanianan’ny Mpisolovava Raharinarivonirina Maria,
ilay solotenan’ny Antenimierandoholona eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Izy no mpikambana fahasivy eo anivon’ity andrimpanjakana ity.
MANANDRIANA
Mitety trano ireo mpividy vilany vy. Mbola maro mponina any amin’ny Distrikan’i Manandriana, faritra Amoron’i Mania, manana ireny vilany vy misy tongony telo ireny. Mahasahy mividy lafo, an-tapitrisany, tokoa ireo mpanangona. Tsy vitsy no roboka mivarotra, na tsy fantatr’izy ireo mazava aza ny antony ampiasana io akora io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.