Actualités

TAPANY BERIJA


  • Talata 19 Jolay 2016

Natao fanadihadiana nandritra ny adin’ny telo tao amin’ny Toby Ratsimandrava, omaly, i Ravelomanantsoa Berija


. Nambarany, tao amin’ny pejy fesibokiny, fa tafaverina aminy omaly ireo fitaovany nalain’ny mpanao famotorana nandritra ny fisavana ny tranony taorian’ilay fipoahana baomba nahafatesana olona ny harivan’ny 26 jona teo amin’ny kianjabe Mahamasina.

ANTANIMENA
Hitohy anio talata 19 jolay, etsy amin'ny Villa Pradon Antanimena ny fivorian’ny mpanao gazety rehetra sy ireo mpisehatra amin'ny Serasera eo anivon'ny hetsika mitolona ho an’ny fahafahana maneho hevitra sy ny zo miteny.
Hanao tatitra momba ny fihaonana tamin'ny Masoivohon'i Etazonia monina sy miasa eto Madagasikara ny solontena lasa tany, hodinihina mandritra io fihaonana io koa ny fametrahana paik'ady momba ny fanohizana ny tolona.

ATSIMO ATSINANANA
Mpiadina miisa 10.417 no miatrika ny fanadinana BEPC any amin'ny DREN Atsimo Atsinanana. Betsaka ireo mpiadina misafidy tsy hanao ny taranja anglisy satria dia mahatratra 8.649 ny isan'izy ireo izay nisafidy ny option B, raha 1768 monja ny option A. Mitsinjara amina foibem-panadinana 16 ireo mpiadina ireo. Amin'ny ankapobeny dia nizotra am-pilaminana ny fanadinana BEPC any amin'ny faritra Atsimo Atsinanana.

MORONDAVA
Niditra ifotony omaly ny « Commission de retrait de permis de conduire » nanao fanaraha-maso ireo fiara mifamezivezy ao an-drenivohitry ny faritra Menabe. Maro ny tsy fanarahan-dalàna tsikaritr’izy ireo nandritra ny fidinana voalohany nataon’izy ireo omaly, taorian’ny nijoroan’ity vaomiera ity ny 6 febroary 2016.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT