Nankatoavin'ireo Loholona omaly alakamisy 9 Jona 2016 ny volavolam-pandaharam-potoana manomboka ny 8 ka hatramin'ny 16 jona 2016
izay ahitana ny fivoriana azon'ny besinimaro atrehina sy asam-baomiera izay handinihana ireo volavolan-dalàna isan-tsokajiny. Senatera 43 amin’ny 63 no tonga nivory omaly, ka ny 9 ihany no nandefa taratasy fialan-tsiny tsy fahafahana mivory.
« ORIGINE AFRIQUE »
Hotanterahina eto Madagasikara ny 3 sy 4 ary 5 novambra 2016 ny tsenabe iraisam-pirenena momba ny lamba sy ny akanjo, izay karakarain’ny vondron’ny orinasa afaka haba sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.