Vahoaka an’arivorivony maro no tonga nanome voninahitra farany an-dRabesaiky Guillaume na OM-Guy tany Sahave, toerana nandevenana azy omaly.
Efa tany amin’ny valo ora alina tany vao vita ny fandevenana. Notolorana miaraka ny mariboninahi-pirenena Chevalier sy Commandeur de l’Ordre national Malagasy izy talohan’izay, tamin’ny alalan’ny minisitry ny fampianarana ambony Rasoazananera Monique, nitarika ny delegasionam-panjakana tany an-toerana.
AMBAVAHADITOKANA
Nifarana omaly ny tolotanana nataon’ny ALMA, orinasan’Atoa Marc Ravalomanana, nanohana ara-pitaovana tamin’ny fanamboaran-dalana teny amin’ny Kaominina Ambavahaditokana, Antananarivo Atsimondrano, niaraka tamin’ny solombavambahoaka TIM Raharimanarivo Voahangy nanasoavana ny mpiara-belona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.