TANAMBE
Maty nisy nitifitra ny alin’ny alakamisy 4 aogositra teo ny vadin’ny Ben’ny tanàna teo aloha ao amin’ny Kaominina Tanambe, Distrika Amparafaravola.
Niantefa teo amin’ny lohany ny bala, raha iny hamoha vavahady iny ilay ramatoa. Miahiahy ny fianakaviany fa vono olona niniana natao ity. Mpanohitra mafana fo ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ataon’ny Sinoa ao an-toerana, ilay Ben’ny tanàna teo aloha. Mety ho ity farany no nokendrena, saingy ramatoa vadiny no voa. Niaraka mantsy izy ireo tamin’io, nanao taingin-telo tamin’ny moto niaraka tamin’ny zanany.
BAKALOREA
Mpiadina voasoratra anarana miisa 9.604 no hiatrika ny andiany faharoa amin’ny fanadinana bakalôrea teknika manerana ny Nosy. Efa nitsotsotra kosa, miandry ny valin’ny fanadinana ireo 168.082 nisafidy ny sokajy ankapobeny tamin’ity taona 2016 ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.