Actualités

Tapakila efa nozaraina Manao teny roa ny fanjakana


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2021

Mbola nitohy omaly ny fizarana sy ny filaharana tapakila teny Mahamasina. Hijerena ny lanonana hoy ny avy ao amin’ny Fiadidian’ny Repobika ny tapakila nozaraina nanomboka ny sabotsy teo,

 araka ny fanehoan-kevitr’Atoa Désiré Rafidimanana tao amin’ny fahitalavim-panjakana omaly. Mbola miadry izay valitenin’ny CAF, mbola tena baraingo aloha hatreto. Tsy afaka mbola miteny mihitsy isika hoe ahoana sy ahoana? Raha ohatra hoe tsy mahazo mijery dia manan-kery amin’ilay lanonana fitokanana kianja fotsiny,… Raha mahazo valiny mahafa-po avy amin’ny CAF moa hoe azo atrehin’ny mpijery ilay lalao dia sady manan-kery amin’ny lanonana fitokanana no hijerena baolina ilay tapakila. Amin’ny ankapobeny, mba ahafahana hijery ny lalao no nihazakazahan’ny olona hilahatra tapakila, na mety misy ihany aza ny liana amin’ny fitokanana ny kianja. Mbola fanontaniana mipetraka ny hoe: hanaiky ny hisiana famoriam-bahoaka mialohan’ny lalao ve ny CAF raha toa ka hitazona ny teniny amin’ny hoe tsy azo jerena ny lalao ? Miandry hatrany ilay valin’ny fifampiresahana avo lenta noresahin’ny Tale kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT