Actualités

Taorian’ny Jirama Tratry ny kiana mivaivay ny banky sasany


  • Talata 28 Desambra 2021

Mitohy hatrany ny fitarainan’ireo mpanjifana banky sy ny fametrahan’izy ireo fanontaniana ny amin’ny antony mahatonga hoe rehefa maka vola in-dray amin’ilay banky dia tomboan’ilay banky in-droa izay alaina,

 izany hoe, raha maka 200.000ariary ianao dia azonao ny 200.000ariary fa 400.000ariary no miala amin’ny kaontinao. Gaga ny tena, hoy ny mpanjifana banky iray. Tonga foana ny tao anaty kaonty. Fakana vola na “Retrait” miisa 4 karazana nampitomboany in-2 daholo. Atao ato an-trano ny vola hatahorana hangalarin’ny olona. Atao any amin’ny banky, izao no zava-misy, hoy hatrany ity mpanjifa ity. Efa tratra ny toy izany koa aho, hoy ny mpanjifa iray hafa nanamafy ary rehefa nanao “reclamation” na nangata-panazavana dia mba averin-drizareo ihany ny volako. Tsy mpanjifana banky tokana fa maro ireo ahenoana ity fitarainana ity ary raha ny fanazavan’izy ireo hatrany dia miverina foana ilay olana na efa vahana aorian’ny fitarainana aza. Lazain-drizareo fa olana amin’ny lafiny tambazotra na “problème de réseau” izao foana ilay izy, hoy hatrany ny voalaza. Misy milaza ho tratran’ny sazy amina karazana fandaniana isam-bolana na “pénalité” amin’ny “abonnement” mihitsy toy ny startimes, connexion, Canal sat, sy ny maro hafa noho io olana “réseau” io sy ny fahataran'ny fahatongavan'ny vola na “virement”. Maika ery ilay banky mampitombo sarany na “frais” sy ny hafa rehefa misy petra-bola na “action” mitombo kely ataonao na rehefa misy fahatarana ny fahatongavan'ny vola, hoy hatrany ny fimonomononan’ireo mpanjifa. Taorian’ny JIRAMA izany dia manomboka iangonan’ny rihitra sy mahazo ny anjarany koa ireo banky.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT