Taorian’ny zava-nitranga tamin’ny fiaramanidina saika hitondra ny filohan’ny FAT mivady sy ny delegasiona notarihany ny alakamisy teo dia maro ireo adihevitra sy siosion-dresaka etsy sy eroa.
Anisan’izany ny hoe mety hosoloina indray izany ny lehiben’ny fiarovana ny filohan’ny fitondrana tetezamita na DSP. Raha ny marina tokoa mantsy dia izy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiarovana ny ain’ny filoha sy ny zavatra rehetra ampiasaina na iasany na ipetrahany. Miainga amin’ny fiambenana ny trano fonenany sy ny lapam-panjakana izany, eo koa ny fitsirihana mialoha ny lalana hizoran’ny fiara mitondra azy, tafiditra ao anatin’izany ny fisavana ifotony sy fitsirihana ny fiaramanidina na helikoptera hitondra ny filoha mialoha ny hiaingany. Hatrany amin’ny sakafo hohanin’ny filoha aza dia tokony hisy ny tompon’andraikitra manara-maso izany. Efa tena misy ny fandaminana manokana ataon’ny mpiaro sy mpiambina ary mpiahy izany filoham-pirenena izany ka tsy tokony hisy mihitsy ny zavatra hafahafa mitranga tahaka ny hoe efa nisy nampiasa ny lamba firakotra tao anatin’ny fiaramanidin’ny filoha nialoha ny hiaingany, ary efa nisy nampiasa ihany koa ny trano fivoahana.
Raha tena sabôtazy marina ary izy ity, iza no afaka nanao izany ? Iza avy no manana alalana hiditra sy hijanona fotoana maharitraritra ihany ao anatin’ny fiaramanidina manokana hitondra ny filohan’ny FAT ? Natory ve sa tsy teo mihitsy, izany hoe tsy nanao ny asany ara-dalàna ireo miaramila mpiambina ny “hangar” nisy ilay fiaramanidina ? Sa kosa ve misy ny mpamadika ao anatin’izany rehetra izany, ka ny nantenaina hiaro indray sanatria no mamosavy ? Ho hita eo ihany moa izay vokatry ny fanadihadiana. Fa araka ny efa nambara teto ihany koa anefa dia maro no mieritreritra fa mety sinema ihany iny teny Ivato iny mba hisarihana ny sain’ny olona tsy hifantoka amin’ny fahasahiranana sy ny fahalafosan’ny vidim-piainana sy mba hahafahana misambotra indray ireo mpanohitra ambara fa mpanakarama mpampihorohoro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.