Actualités

Taorian-dry Badoda Karohina noho ny fandrahonana olona i Tatandraza


  • Zoma 17 Jona 2022

Feno ny fepetra hisamborana an'ingahy Marc Tatandraza noho ireo heloka maro sosona nataony tao anatin'ilay horonan-tsary naparitany 2 andro lasa izay.

Karohina araka izany izy ka raha manam-baovao mahakasika azy isika dia mandefasa hafatra miafina na someso na mampandre ny mpitandro filaminana izay akaiky anao indrindra. Hivoaka etoana ihany ny Filazana fikarohana azy amin'ny fomba ofisialy. Atao tsiambaratelo sy arovana ny mahakasika ny loharanom-baovao”, hoy ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana omaly. Toy ny horonan-tsary efa nataony tany aloha, dia fandrahonana olona tamin’ny alalan’ny horonan-tsary no antony hanenjehana azy, ka ireo olona mitory an-dRajoelina any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no rahonany hovonoina amin’ny alalan’ny fanapahan-doha amin’ny antsy maranitra. “…Ianao olona manao satroa belelaky be nitondra taratasy handeha any amin’ny HCC, tsy fantatro ny anaranao, ianao izay handeha hitory an’I Andry Rajoelina iny, ity no miandry anao hoy izy izay mampiseho antsy lava.. Ampahitako ahy ianao, raha tsy fantatrao izaho, izaho no Remenabila. Tsy misy olona atahorako raha mbola eto ambonin’ny tany, tsy misy mampavozo hay raha mbola Malagasy. Ianareo miaraka ambadik’io handeha hitory any amin’ny HCC hanakana ny firotsahan-dRajoelina, miomana fa hifankahita isika, efa miandry anareo sy hihaza anareo aho. Jereo tsara ity, ho tapaka roa amin’ity ny lohanareo…”. Tsy vao izao moa i Marc Tatandraza no nanao horonan-tsary mandrahona olona, milaza ho olona mpanohana sy mpiara-dia amin-dRajoelina, ka ireo rehetra manakiana ny fitondrana sy Andry Rajoelina dia nambarany fa hojinjainy amin’ny antsy be na sabatra izay matetika harangarangany dia honjinjainy ny tenany. Norahonany ny mpanohitra, ary mitovy amin’io horonan-tsary efa nataony io ihany no nataony tamin’izany, efa herintaona na roa taona lasa izay. Tsy nisy fandraisana andraikitra fa notazanim-potsiny ka nampipetraka ny ahiahy hoe: ny Fitondrana mihitsy ve no maniraka azy ka na efa mandrahona olona ho faty aza notazanim-potsiny? Manginy fotsiny ny fanadalàna saim-bahoaka tamin’ilay hoe: maty avy eo nitsangana tamin’ny maty. Azo antoka fa tsy nisy ny fampilazana fikarohana mba ahafahana misambotra azy raha tsy nisy an’ilay fisamborana ireo tanora maromaro na ry Badoda teny Itaosy izay nanao horonan-tsary feno fandrahonana miaraka amin’ny teny ratsy. Nandeha rahateo ny fampahatsiahivana vao nisy an’iny tranga iny hoe: nahoana i Marc Tatandraza nandrahona olona olona ho faty ? Hena-maso ve izany no anton’ny fisamborana? Mandeha ny fikarohana ka andrasana hoe: haharitra hafiriana indray ny fangala-pierin’ity milaza azy ho apostoly hafahafa ity sy ny mpitandro filaminana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT