Actualités

Taom-piotazana letisia 2022 1075 ireo nahazo fahazoan-dalana


  • Alarobia 23 Novambra 2022

Nisokatra omaly tolakandro ny taom-piotazana letisia 2022 ho an’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo raha toa ka efa tamin’ny alahady 20 novambra izany ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana.

Tao Antananambo no nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny taom-piotazana ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Efa nitanjozotra niandry ny fanombohana ireo fiara mitondra vokatra. Miisa 1075 ireo olona nahazo fahazoan-dalana hikirakira ireo vokatra letisia tamin'ity taona 2022 ity. 1300 Ariary ny letisia iray kilao andraisan'ireo orinasa azy raha toa ka 1200 Ariary izany tamin’ny taon-dasa. Efa andro vitsivitsy izay no miantsona amin'ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo mitondra ireo kaontenera hasiana ny letisia haondrana any Eorôpa hamonjy ny tsena Krisimasy. Nidina tao Toamasina ny minisitry ny varotra Edgard Razafindravahy nialoha izao fisokafan’ny taom-piotazana izao nijery ifotony ny fiomanana sy ireo toerana hanatobiana ny letisia ary koa nihaona tamin’ireo mpandraharaha sy ireo tantsaha mpamokatra. Taorian'izay no nilazany fa efa vonona avokoa ny fiomanana ho amin’ny fanondranana, miandry fotsiny ny fotoana omaly nisokafan'ny taom-piotazana.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT