Actualités

Taom-pijinjana 2011 Hihena 30% ny voka-bary any Alaotra


  • Alarobia 27 Aprily 2011

Vokatry ny fahataran’ny orana sy ny tsy fahaizan’ny tantsaha mampiasa masomboly voafantina dia hisy fihenany ny vokatra miakatra amin’ity taona 2011 ity.

Mbola betsaka ireo tantsaha no miantehitra amin’ny vary makalioka izay karazana masomboly mila aketsa mialoha ny volana janoary ka raha tsy izany dia maty ny zana-bary. Maro ireo tantsaha tratran’izany tamin’ ity taona ity. Nambaran’ny talem-paritry ny fambolena Alaotra Mangoro, Rakotobe Nirhy, fa hisy fihenany hatrany amin’ny 30 isan-jato ny voka-bary any Alaotra amin’ ity taona ity. Raha mbola mitohy, hoy izy, ny doro zetra sy ny doro tanety izay miteraka ny fiovaovan’ny toetr’andro dia hitombo io tahan’ny tsy fahombiazan’ny voka-bary any Alaotra io.

Nentaniny manokana ny tantsaha mba hazoto hanaraka ny teknika manara-penitra mahakasika ny fambolena sy hahay hikajy ny tontolo iainana fa mifampiankina, hoy izy ny famokaram-bary sy ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny. Efa misy ankehitriny ny masomboly voafantina ka tokony havitrika hampiasa izany ny tantsaha raha tiana ny hampiakatra ny voka-bary. Ho tratra ny tanjona ny maha sompitr’i Madagasikara an’Alaotra eo amin’ny voka-bary, hoy izy ary ny tantsaha mihitsy amin’izay no hametra ny vidim-bokatra.

Niry A.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT