Actualités

Taom-pianarana 2010-2011 Mety samy hanana ny fidirany ireo oniversite enina


  • Talata 03 Mey 2011

Miankina amin’ny fihaonan’ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony amin’ny filohan’ny SECES anio no hahafantarana mazava izay hanombohan’ny taom-pianarana 2010-2011 manerana ireo Oniversite enina eto Madagasikara raha tsy latsa-danja amin’izany ny fakany ny hevitr’ireo filohan’ny oniversite.

Tokony ho amin’ny faran’ity herinandro ity mantsy no hanombohan’ny taom-pianarana amim-pomba ofisialy raha ny fanirian’ity ministera ity saingy noho izy io saro-pady dia tsy maintsy hiarahana manapaka amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny voakasika toy ireo voalaza etsy ambony ireo. Tsy misy olana intsony araka ny nambaran’ny minisitra ihany ny mikasika ireto fitakiana marobe izay napetraky ny SECES mialoha ny tena hanombohan’ny taom-pianarana marina toy ny fahavononan’ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra ao anatin’ny telo volana farafaharatsiny, ny tambinkarama amin’ny fikarohana ho an’ny mpampianatra izay efa naparitaka eny anivon’ireo oniversite dimy ankoatra an’Antananarivo izay efa azo raisina ary ny karaman’ireo mpandraharaha. Ho an’Antananarivo manokana dia noho ny antony ara-teknika no mahatonga io olana io raha eo ihany koa ny hamaroan’ny mpampianatra. Nomarihin’ny minisitra ihany koa moa fa efa am-periny tanteraka amin’ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fanadinana bakalôrea izy ireo ankehitriny raha resabe sy lainga afafin’ny sasany ilay feo mandeha hoe : sady taona fotsy ho an’ny oniversite ity taona ity no tsy hisy ihany koa ny fanadinana bakalôrea ka tsy tokony hampatahotra ny ray aman-dreny.

Na izany aza dia mandeha ny feo fa dia mety samy hanana ny fotoana hanombohan’ny taom-pianarana ny oniversite enina. Araka ny fantatra mantsy dia mazoto hianatra ny any amin’ny Faritany ary vonona hampianatra ny mpampianatra fa ny eto Antananarivo no mametraka olona. Ka mety ho fombafomba ny fivoriana iraisana anio fa efa masaka ao amin’ny Ministera ny hampiditra ny any amin’ny Faritany amin’izay dia hotondroina ho mpitsivalam-pandry tsy mitsinjo tombontsoam-bahoaka ny eto Antananarivo. Tsy hahagaga ny amin’izay satria raha nisy ny fitakiana nataon’ny Seces tamin’ny 2010 iny dia tsy naneho firaisankina tamin’ny namany ny tao Mahajanga, izay ny minisitry ny fampianarana ambony ankehitriny no filohan’ny oniversite, andraikitra mbola tanany amin’izy minisitra izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT