Actualités

Taom-pianaran’ny oniversite 01 jona ho an’Antsiranana, manjavozavo ny ambiny


  • Alarobia 11 Mey 2011

Voaporofo ny notaterinay teto, herinandro lasa izay, fa samy hanana ny azy ireo oniversite enina momba ny daty fanombohan’ny taom-pianarana 2010-2011.

 Ny zoma 06 mey teo no efa nisokatra ny asa aman-draharaha ao amin’ny oniversiten’Antsiranana. Tonga nanokatra izany tany an-toerana ny minisitry ny fampianarana ambony Rabesa Zafera Antoine. Nanomboka io 06 mey io ary hitohy hatramin’ny 31 mey ny fisoratana anaran’ny mpianatra. Ny 01 jona kosa ny fidirana ara-pedagojika na ny fampianarana, araka ny fampahafantarana nataon’ny filohan’ny oniversiten’Antsiranana, Pr Andrinirina Charles Bernard, omaly, ary afaka iray volana aorian’izay, any amin’ny volana jolay any, vao misy fandoavana vatsim-pianarana. Mitety Oniversite ny minisitra Rabesa taorian’io diany tany Antsiranana io. Nandalo tao Mahajanga ny sabotsy 07 mey teo, nanokatra ny fanombohan’ny asan’ny mpandraharahan’ny oniversite ao Ambondrona. Mbola izy rahateo no filohan’ity oniversite ity. Nitohy tao Toamasina ny diany omaly talata 10 mey. Nihaona tamin’ireo mpikambana SECES sampana Toamasina sy ny mpampianatra rehetra tao Barikadimy ny tenany ny tolakandro. Izany dia teo anatrehan’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina Horace Gatien sy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain. Naharitra ora telo ny dinika. Raha ny fanazavana nomen’ny minisitra dia nanomboka omaly 10 mey ny taom-pianarana ho an’ny oniversiten’i Toamasina, fa amin’ny alatsinainy kosa vao tena handeha hamonjy lakilasy ny mpianatra, ka ireo taona faha-02 no miakatra amin’ny sampam-pianarana fitsaboana sy ny lalàna ary ny teny frantsay no hisantatra izany.

Miandry fandaminana kosa ny taona voalohany. Tsy mandà ny fanombohan’ny taom-pianarana ny SECES Toamasina, satria araka ny nambaran’ny filohan’ny sampana Toamasina dia tsy anjaran’ny SECES no manapaka ny daty fidirana, fa anjaran’ny ministera ifandinihany amin’ireo filohan’ny oniversite enina. Nohamafisin’izy ireo anefa fa tsy mbola vonona amin’izany ireo mpampianatra, satria ampahany bitika tamin’ny fangatahany sy toky nataon’ny ministera no azo hatramin’izao. “Azo atao ny mamoaka datim-pidirana, nefa ny fianarana dia miankina aminay mpampianatra fa tsy ny ministera”, hoy izy. Nilaza moa ny minisitra Rabesa fa efa vonona miaraka aminy ny vatsim-pianarana telo volan’ny mpianatra, miampy ny fampitaovana fandray isan-taona, ary ny tambin-karama amin’ny fikarohan’ny mpampianatra sy ny fanampiny amin’ny ora fampianarana. Hentitra anefa ny SECES Toamasina nilaza fa ampahany ihany no azon’izy ireo ka na ny ministera mamerina ny teniny fa hanome, na milaza mazava fa tsy hanome azy io.

Ankoatra izany, dia ezahina ho vita ao anatin’ny 25 herinandro ny fampianarana eny amin’ireo oniversite afa tsy ny fitsaboana sy ny “polytechnique” izay maharitra 30 herinandro eo. Noho ny fahataran’ny fanombohan’ny fampianarana dia mety tsy hisy ny fialantsasatra. Ilay 10.000 ariary fitomboana tamin’ny saram-pidiran’ny mpianatra dia averina izay efa nandoa ny azy, tsy hisy iny fanondrotana iny intsony kosa ny an’ireo izay tsy mbola nahaloa ny azy.

 

Jean D. sy Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT